ZAPP'in GASY

TEHAKA
Mahafinaritra ry zareo a ! rehefa avy nandalo tany amin'ny namana serasera i Paparazzi ka namelaka ireo namana somary madiditra tao dia afa-po .
Afapo hoy aho fa dia nisy tokoa ny ezaka sy ny fanova-pamindra nataon'ireo namana misaina tao , tsy hita
intsony tato ho ato ny fanambaniana ny namana ratsy sary , ny fanesoana sy ny fanakianana ; fa dia hevitra
matotra sy vazivazy no feno .
Tsy hoe tsy fitiavana anareo namana tao @ CLAN VOAY akory ny nataoko teto na fankahalana , fa kosa vilany
mitongilana ka tokony harenina .
Raiso am-pifaliana izay namana tonga rehetra , mba omeo ny sahaza azy izy , ary mba aoka koa ny hevitra mba
ho hevitra tokoa fa tsy resa-jaza , misy zaza tsy mbola ampy taona tokoa mantsy miserasera ao koa , kanefa ny resaka avoakantsika eo indraindray mamoafady na an-kolaka aza ; zanantsika ireo ka aleo mba isika olon-dehibe rehetra ho modely .
Ka inona indray moa izany no azo ambara ry reto fa dia " TEHAKA " ho anareo rehetra .
PAPARAZZI
ZAPP'in GASY
# Posté le mercredi 30 avril 2008 14:10

TEHAKA ho an'ny " Gasy ka Manja "

TEHAKA  ho an'ny " Gasy ka Manja "
Nandeha ni-paparaz kely tany ho any indray aho t@ iny faran'ny herinandro iny , ka ny tranokala " Gasy ka Manja " no notsidihako tamin'izany .
Namadimbadika sy nanelakelaka ireo takila ary sary rehetra tao aho tamin'izany , afa-po ny maso , toy izany koa ny sofina tamin'ireo horonan-tsary ( clip ) izay novokarin'ny artiste Malagasy ao amin'io tranokala io .
Ao koa ireo karazana Blogy malagasy marobe ampahalalaina ao , ahitana ireo namana aman-tsakaiza lavitra na akaiky .
Tsy latsa-danja toy izany koa anefa ny fampahalalana ireo lanonana samihafa ataon'ny artista malagasy na eto Madagasikara na any ivelany .
Ny mahafinaritra ihany koa dia ity , na dia tsy mbola manana mpanohana maro ( sponsor , publicitaire ) aza ity tranokala ity , dia hita fa ho lasa lavitra tokoa raha ny isan'ireo mpionja ( Internaute ) mitsidika azy io isanandro .
Manasa anareo namana Malgasy rehetra hitsidika ity tranokala ity .
TEHAKA ho an'ny " Gasy ka manja .com "
Lava aina ho hanin'ny haofotsy e !
# Posté le lundi 28 avril 2008 09:39
Modifié le lundi 28 avril 2008 09:56

Felaka

Felaka
Un pétit felaka de la part de paparazzi !
Franchement vous n'avez rien à faire que de s'autocritiquer dans " sary rehetra " ( namana serasera ) , en plus
c toujours les mêmes qui mettent de commentaire ( hevitra ) .
Faites le calcul il y avait 23.441 membres dans ce site , il n' y a que 20 personnes pas plus qui reviennent à chaque fois ! dans le rubrique " sary rehetra = hevitra " .
Franchement mes ami(e)s entre nous ! tu prends une photo de toi en train de manger une glace .....ou faire de grand écart à la cuisine , publicité de ton anniversaire ( oh la la yes ! ) et tu les mets dans un site ????
Ny hendry mody voky ry reto fa ny adala manesika ihany a !
Misy olona izay moa ao ! dia tsy miala mihitsy fa vao misy sary mipetraka eo dia efa avy izy " voaibe " voaibe hoy aho satria mitaninandro eo amorondrano eo izy , ka raha vao misy mihetsika ao anaty rano dia tonga izy dia miantoraka avy hatrany any anaty rano .....
Ry Bagdad izany koa angamba voaibe koa tao kou !
Ny tena mampihomehy ao koa dia ity : " misy olona ratsy anie ao kanefa dia manaratsy olona koa rehefa mba misy sary hafa miditra ao , kanefa ny tenany tsy hitany ( maso gila na njola afenina anaty solomaso , ny nify matraky ....etc...... )
Tsy tokony hanaratsy olona e ! samy manana kilema daholo ny olona .
Maninona anefa raha tsy asiana hevitra izany e ! misy olona mba te-hiditra ao na koa te-hametraka ny sariny , kanefa tonga dia matahotra sy maty lolo sao lanin'ny voaibe sy ny tariny , rehefa tsy namana spéciale mantsy ao dia voakina ( Ohatra : lemétisse ( vakio anie ny hevitra ataon-dry voaibe ao e ! mampalahelo ! )
Tsaratsara kokoa ny fihavanana ao amin'ny serasera raha toa ka tsy misy io rubrique mitsikera io .
NB : Ianao koa ry Hery ( tompondraikitra aza Monsieur Lescue e ! )
En tant que responsable tu dois garder certains secret pour toi ! question d'éthique .
# Posté le mercredi 23 avril 2008 13:16
Modifié le samedi 26 avril 2008 12:56

Tehaka ho an'ny Sobika.com

Tehaka  ho an'ny Sobika.com
On ne peut pas ignorer la qualité du site sobika.com ( images , graphique , présentation , articles , etc.....)
C'est normal , s'ils ont eu la faveur de publicitaire rénommé en europe ( l'oréal , roc ) .
NB : Il n'y a pas un seul coin dans ce site qu'on peut critiquer les photos des autres .....
TEHAKA ho an'ny sobika.com
# Posté le mercredi 23 avril 2008 12:50

Iza i Bagdad ?

Iza i Bagdad ?
Matetika miverimberina ao amin'ny site iray namana.serasera io anarana io !
Izaho aloha vao tamin'ny faraparan'ny taona 2007 no niditra tao e ! ka dia mba nanontany ny
namana efa tranainy tao aho , tsy azoko be ihany anefa ny tena marina ; satria ny sasany milaza
hoe : " Vehivavy izy izany ka nanao pseudo marobe " , tao koa anefa no nilaza fa " lehilahy izy izany
ka nilaza fa miaramila tany Bagdad "
Dia nanomboka teo ny fanadihadian'ny samy mpikambana tao fa toa tsy sariny ilay izy fa olona hafa ,
dia nanomboka nifamaly tamin'ny mpikambana tao tamin'izay izy , farany moa noesorina tsy ho mpikambana
tao intsony io olona io " vavy " moa sa "lahy " ???
Dia nanomboka teo dia lasa natao fanoharana tao amin'io site io raha vao sary tsy atokisana dia antsoina
hoe " Bagdad " io !!!
Aleo esorina izay manimba lalao e !
Mety mitrandraka pétrole any izany i sipa na ingahy io izao kou !
FELAKA
# Posté le mercredi 23 avril 2008 12:25
Modifié le mercredi 23 avril 2008 13:41

Liens promotionnels