NITAROZAKA NY TAKOROBABAN'NY VORONTSILOZA !

Dia nilamina moa izany ny tao amorom-parihy , tsy hiverenana intsony .
Fa rehefa mba ni-paparazz tany ho any indray ny tenako dia nahita fa dia nisamaritaka indray
ny mpivarotra tao an-tsena ( Tsena fi-serasera-na ) fa dia ireo vorontsiloza teo an-tsena
indray no nisamaritaka tsy nisy ohatr'izany .
Inona angaha hoy ianao ? nifampitory tany ho any hono ny vorontsiloza " Caline " sy ny tompontsena ,
dia nifanala-baraka tany amin'ny tranokala (site ) sasatsasany Malagasy tany indray hono .
Fa dia inona loatra ry zareo no ao amin'ity tranokala " namana serasera " ity no dia tsy ialana ady sy
romoromo lava izao a ?
Ny ady nataon'ny mpikambana tao hono raha atambatra efa ho am-polony mihitsy , ary dia anaran'olona
efa miverimberina foana hono no miady ao , mahamenatra !
Dia ny ratsy koa anie dia ity e ! ny tomponandraikitra mpitantana mihitsy no miady ery an-tsena ....
Tsy fahita any @ tranokala hafa mihitsy izany .
Dia avy daholo koa moa ny vorontsiloza kely mpisolelaka rehefa raikitra ny adi-borontsiloza eo an-tsena ,
marina ny anao " SEFO ! " tsy misy farany mihitsy , solelaka re izao !!!
Aza mba miady @ iray amin'ireo vorontsiloza akaman-drasefo ireo ihany ao @ serasera ao fa dia matin'ny

angaredona tanteraka ianao ( Jereo ny hanaovan-drizareo an'i BOZYCALINE ao )
Andriamatoa Hajaina HERY a ! mba mandraisa ianao fepetra hentitra fa dia efa masiso loatra ny tranokalanao ,
ny mpiserasera sy ny mpitazana ao moa ( ny hendry io a ! ) " MITSIKY DIA LASA " mampatsiahy ahy ilay faneva
" tsiky dia ampy ".....lol !
Ho aiza e ? ho aiza ihany ary izy izany a ? ( MAHALEO )
Veloma ny aina ho hanin'ny haofotsy dia hifankahita eto indray e !
Ity eto ambany ity dia teny nosoratan'i Bozycaline tao amin'ny forum ( ( jereo ) site serasera , site VIRTUEL mpanaratsy / 11.05.2008 )

ho an'ireo namana mihevitra ahita namana eto , mitandrema ihany ianareo fa tsy eto @ ito site sera ito no ahitanareo namana atokisana mefiance
NITAROZAKA  NY TAKOROBABAN'NY VORONTSILOZA !
# Posté le lundi 12 mai 2008 11:24
Modifié le mardi 13 mai 2008 14:11

ZAPP'in GASY

TEHAKA
Mahafinaritra ry zareo a ! rehefa avy nandalo tany amin'ny namana serasera i Paparazzi ka namelaka ireo namana somary madiditra tao dia afa-po .
Afapo hoy aho fa dia nisy tokoa ny ezaka sy ny fanova-pamindra nataon'ireo namana misaina tao , tsy hita
intsony tato ho ato ny fanambaniana ny namana ratsy sary , ny fanesoana sy ny fanakianana ; fa dia hevitra
matotra sy vazivazy no feno .
Tsy hoe tsy fitiavana anareo namana tao @ CLAN VOAY akory ny nataoko teto na fankahalana , fa kosa vilany
mitongilana ka tokony harenina .
Raiso am-pifaliana izay namana tonga rehetra , mba omeo ny sahaza azy izy , ary mba aoka koa ny hevitra mba
ho hevitra tokoa fa tsy resa-jaza , misy zaza tsy mbola ampy taona tokoa mantsy miserasera ao koa , kanefa ny resaka avoakantsika eo indraindray mamoafady na an-kolaka aza ; zanantsika ireo ka aleo mba isika olon-dehibe rehetra ho modely .
Ka inona indray moa izany no azo ambara ry reto fa dia " TEHAKA " ho anareo rehetra .
PAPARAZZI
ZAPP'in GASY
# Posté le mercredi 30 avril 2008 14:10

TEHAKA ho an'ny " Gasy ka Manja "

TEHAKA  ho an'ny " Gasy ka Manja "
Nandeha ni-paparaz kely tany ho any indray aho t@ iny faran'ny herinandro iny , ka ny tranokala " Gasy ka Manja " no notsidihako tamin'izany .
Namadimbadika sy nanelakelaka ireo takila ary sary rehetra tao aho tamin'izany , afa-po ny maso , toy izany koa ny sofina tamin'ireo horonan-tsary ( clip ) izay novokarin'ny artiste Malagasy ao amin'io tranokala io .
Ao koa ireo karazana Blogy malagasy marobe ampahalalaina ao , ahitana ireo namana aman-tsakaiza lavitra na akaiky .
Tsy latsa-danja toy izany koa anefa ny fampahalalana ireo lanonana samihafa ataon'ny artista malagasy na eto Madagasikara na any ivelany .
Ny mahafinaritra ihany koa dia ity , na dia tsy mbola manana mpanohana maro ( sponsor , publicitaire ) aza ity tranokala ity , dia hita fa ho lasa lavitra tokoa raha ny isan'ireo mpionja ( Internaute ) mitsidika azy io isanandro .
Manasa anareo namana Malgasy rehetra hitsidika ity tranokala ity .
TEHAKA ho an'ny " Gasy ka manja .com "
Lava aina ho hanin'ny haofotsy e !
# Posté le lundi 28 avril 2008 09:39
Modifié le lundi 28 avril 2008 09:56

Felaka

Felaka
Un pétit felaka de la part de paparazzi !
Franchement vous n'avez rien à faire que de s'autocritiquer dans " sary rehetra " ( namana serasera ) , en plus
c toujours les mêmes qui mettent de commentaire ( hevitra ) .
Faites le calcul il y avait 23.441 membres dans ce site , il n' y a que 20 personnes pas plus qui reviennent à chaque fois ! dans le rubrique " sary rehetra = hevitra " .
Franchement mes ami(e)s entre nous ! tu prends une photo de toi en train de manger une glace .....ou faire de grand écart à la cuisine , publicité de ton anniversaire ( oh la la yes ! ) et tu les mets dans un site ????
Ny hendry mody voky ry reto fa ny adala manesika ihany a !
Misy olona izay moa ao ! dia tsy miala mihitsy fa vao misy sary mipetraka eo dia efa avy izy " voaibe " voaibe hoy aho satria mitaninandro eo amorondrano eo izy , ka raha vao misy mihetsika ao anaty rano dia tonga izy dia miantoraka avy hatrany any anaty rano .....
Ry Bagdad izany koa angamba voaibe koa tao kou !
Ny tena mampihomehy ao koa dia ity : " misy olona ratsy anie ao kanefa dia manaratsy olona koa rehefa mba misy sary hafa miditra ao , kanefa ny tenany tsy hitany ( maso gila na njola afenina anaty solomaso , ny nify matraky ....etc...... )
Tsy tokony hanaratsy olona e ! samy manana kilema daholo ny olona .
Maninona anefa raha tsy asiana hevitra izany e ! misy olona mba te-hiditra ao na koa te-hametraka ny sariny , kanefa tonga dia matahotra sy maty lolo sao lanin'ny voaibe sy ny tariny , rehefa tsy namana spéciale mantsy ao dia voakina ( Ohatra : lemétisse ( vakio anie ny hevitra ataon-dry voaibe ao e ! mampalahelo ! )
Tsaratsara kokoa ny fihavanana ao amin'ny serasera raha toa ka tsy misy io rubrique mitsikera io .
NB : Ianao koa ry Hery ( tompondraikitra aza Monsieur Lescue e ! )
En tant que responsable tu dois garder certains secret pour toi ! question d'éthique .
# Posté le mercredi 23 avril 2008 13:16
Modifié le samedi 26 avril 2008 12:56

Tehaka ho an'ny Sobika.com

Tehaka  ho an'ny Sobika.com
On ne peut pas ignorer la qualité du site sobika.com ( images , graphique , présentation , articles , etc.....)
C'est normal , s'ils ont eu la faveur de publicitaire rénommé en europe ( l'oréal , roc ) .
NB : Il n'y a pas un seul coin dans ce site qu'on peut critiquer les photos des autres .....
TEHAKA ho an'ny sobika.com
# Posté le mercredi 23 avril 2008 12:50

Liens promotionnels