Iza i Bagdad ?

Iza i Bagdad ?
Matetika miverimberina ao amin'ny site iray namana.serasera io anarana io !
Izaho aloha vao tamin'ny faraparan'ny taona 2007 no niditra tao e ! ka dia mba nanontany ny
namana efa tranainy tao aho , tsy azoko be ihany anefa ny tena marina ; satria ny sasany milaza
hoe : " Vehivavy izy izany ka nanao pseudo marobe " , tao koa anefa no nilaza fa " lehilahy izy izany
ka nilaza fa miaramila tany Bagdad "
Dia nanomboka teo ny fanadihadian'ny samy mpikambana tao fa toa tsy sariny ilay izy fa olona hafa ,
dia nanomboka nifamaly tamin'ny mpikambana tao tamin'izay izy , farany moa noesorina tsy ho mpikambana
tao intsony io olona io " vavy " moa sa "lahy " ???
Dia nanomboka teo dia lasa natao fanoharana tao amin'io site io raha vao sary tsy atokisana dia antsoina
hoe " Bagdad " io !!!
Aleo esorina izay manimba lalao e !
Mety mitrandraka pétrole any izany i sipa na ingahy io izao kou !
FELAKA
# Posté le mercredi 23 avril 2008 12:25
Modifié le mercredi 23 avril 2008 13:41

Gasy tia vetaveta !

Tena niova tokoa ny taonjato sy ny fandrosoana a !
aiza ka dia sahy maneho ny sariny mitanjaka ramalagasy ankehitriny ,
amin'izay dia sary mamofady mihitsy no hita ao , fa tsy mba hoe sary tokana .
Tsy vitan'izany fa dia nahazo vahana ireo vazaha nizahantany tany madagasikara
ka niara-nandry tamin'ireo tovovavy Malagasy ....( makorela ) , nahita ity site izay
marihina fa malagasy ihany no namorona azy .
Nahazo aina hoy aho satria ireo vahiny avy eo maka sary an-dramatoakely mbola sondrian-tory miboridana , ka dia navoakany tamin'io site io daholo ; dia nasainy daholo ny vazaha namany hijery ny trophée-ny
Mahamenatra e !
Tsy ny vehivavy ihany anefa fa ny tovolahy Malagasy koa , mampiseho ny filahiany .
Ny tena ratsy amin'ny tantara dia rehefa misaraka ny mpifankatia dia alefan-drangahy
ao ny sary miboridana an-dramatoa ( photo intimes ) .
Tsy mety amin'ny toe-tsaintsika aloha ry reto a ! sa ahoana hoy ianao mamaky io ???
Gasy tia vetaveta !
# Posté le mercredi 23 avril 2008 12:14
Modifié le vendredi 25 avril 2008 10:25

Liens promotionnels