« Retour au blog de FelakaSYtehaka

TEHAKA ho an'ny " Gasy ka Manja "

TEHAKA  ho an'ny " Gasy ka Manja "
Nandeha ni-paparaz kely tany ho any indray aho t@ iny faran'ny herinandro iny , ka ny tranokala " Gasy ka Manja " no notsidihako tamin'izany .
Namadimbadika sy nanelakelaka ireo takila ary sary rehetra tao aho tamin'izany , afa-po ny maso , toy izany koa ny sofina tamin'ireo horonan-tsary ( clip ) izay novokarin'ny artiste Malagasy ao amin'io tranokala io .
Ao koa ireo karazana Blogy malagasy marobe ampahalalaina ao , ahitana ireo namana aman-tsakaiza lavitra na akaiky .
Tsy latsa-danja toy izany koa anefa ny fampahalalana ireo lanonana samihafa ataon'ny artista malagasy na eto Madagasikara na any ivelany .
Ny mahafinaritra ihany koa dia ity , na dia tsy mbola manana mpanohana maro ( sponsor , publicitaire ) aza ity tranokala ity , dia hita fa ho lasa lavitra tokoa raha ny isan'ireo mpionja ( Internaute ) mitsidika azy io isanandro .
Manasa anareo namana Malgasy rehetra hitsidika ity tranokala ity .
TEHAKA ho an'ny " Gasy ka manja .com "
Lava aina ho hanin'ny haofotsy e !
# Posté le lundi 28 avril 2008 09:39
Modifié le lundi 28 avril 2008 09:56

Liens promotionnels




« Retour au blog de FelakaSYtehaka