TEHAKA
Mahafinaritra ry zareo a ! rehefa avy nandalo tany amin'ny namana serasera i Paparazzi ka namelaka ireo namana somary madiditra tao dia afa-po .
Afapo hoy aho fa dia nisy tokoa ny ezaka sy ny fanova-pamindra nataon'ireo namana misaina tao , tsy hita
intsony tato ho ato ny fanambaniana ny namana ratsy sary , ny fanesoana sy ny fanakianana ; fa dia hevitra
matotra sy vazivazy no feno .
Tsy hoe tsy fitiavana anareo namana tao @ CLAN VOAY akory ny nataoko teto na fankahalana , fa kosa vilany
mitongilana ka tokony harenina .
Raiso am-pifaliana izay namana tonga rehetra , mba omeo ny sahaza azy izy , ary mba aoka koa ny hevitra mba
ho hevitra tokoa fa tsy resa-jaza , misy zaza tsy mbola ampy taona tokoa mantsy miserasera ao koa , kanefa ny resaka avoakantsika eo indraindray mamoafady na an-kolaka aza ; zanantsika ireo ka aleo mba isika olon-dehibe rehetra ho modely .
Ka inona indray moa izany no azo ambara ry reto fa dia " TEHAKA " ho anareo rehetra .
PAPARAZZI